14.03 Habokana

Audio mp3 :

Cliquez ici.

Levitikosy 13, 29-59

MPIARA-MAMAKY NY BAIBOLY

Mana Isan'Andro

Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona,

fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Mat 4/4

 

Anio Alarobia 14 Marsa 2018 dia ny Levitikosy 13.29-59, no sakafom-panihintsika ka hojerentsika ao anatin' io ny hoe inona no lazainy momba an' Andriamanitra Ray ? Jesoa Kristy na ny Fanahy Masina ? sy ny hoe fahamarinana azoko raisina avy amin' izao tenin' Andriamanitra izao ? 

29 Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ ny lohany na eo amin’ ny saokany,

30 ary zahan’ ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin’ ny loha na eo amin’ ny saoka izy.

31 Fa raha zahan’ ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.

32 Ary raha zahan’ ny mpisorona ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, ary tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,

33 dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.

34 Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.

35 Fa raha nanitatra teo amin’ ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,

36 dia hozahan’ ny mpisorona izy, ka raha hitany fa nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona: efa maloto izy.

37 Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.

38 Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin’ ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,

39 ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin’ ny hoditra izany, madio izany.

40 Ary ny amin’ ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.

41 Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin’ ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.

42 Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin’ ny loha sola, na amin’ ny mazavaray, izany.

43 Ary raha zahan’ ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin’ ny aretina eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ ny habokana eo amin’ ny hoditry ny nofo,

44 dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ ny lohany ny aretina.

45 Ary ny amin’ izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe : Maloto e! maloto e !

46 Amin’ ny andro rehetra izay haharariany amin’ izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ ny toby no itoerany.

47 Amin’ ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon’ ondry, na fitafiana rongony,

48 sy izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon’ ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra,

49 raha maitsomaitso na menamena eo amin’ ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ ny hoditra, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin’ ny mpisorona.

50 Ary hozahan’ ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.

51 Ary raha zahany ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.

52 Dia hodorana ny fitafiana, na izay ho tenany, na izay ho fahany, na volon’ ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin’ ny afo.

53 Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin’ ny fitafiana, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra,

54 dia hasain’ mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;

55 ary rehefa voasasa izy, dia hozahan’ ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin’ ny afo; aretina mafy izany, na amin’ ny atiny, na amin’ ny ivelany.

56 Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin’ ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ ny hoditra, na ho afaka amin’ ny tenany, na izay ho fahany.

57 Ary raha mbola misy miseho eo amin’ ny fitafiana indray izy, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin’ ny afo izay misy izany.

58 Ary ny fitafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.

59 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana eo amin’ ny fitafiana volon’ ondry na rongony, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.

Rehefa avy nandinika ary namakafaka an'io teny novakiana io ianao dia toa izao ny fanazavana omen'ny Mpiara-Mamaky ny Baiboly.

HABOKANA

Areti-mandoza sady maharikoriko ny habokana. Izay tratrany dia tsy maintsy mitoka-monina. Maloto avokoa izay rehetra mifampikasoka amin’ny boka sy izay fitaovana raisiny sy ampiasainy. 

Fanadiovana ny habokana.

Ny mpisorona no manatona ny marary sy mamaritra na maloto izy na madio. 

Na izay efa voalaza fa madio aza dia mbola manasa ny fitafiany vao tena madio (34). 

Toy izany ny amin’ny fahotana, efa tonga Jesoa Kristy nitondra ny fahotantsika teo amin’ny hazo fijaliana fa izay miaiky heloka ihany no voavela sy amarinina maimaimpoana (1Jaona 1.9).

Tsy maimaika ireo mpisorona, maka fotoana mitily tsara vao manome ny valim-pitsarana. Manome fotoana ny mpanota Andrimanitra mba hibebaka noho ny fitiavany azy, mialohan’ny hampiharany ny didim-pitsarana dia ny fahafatesana.

Eo amin’ny lohany ny habokany (44).

Ny saina voajamban’ny fahotana dia mijery izay hitan’ny maso fotsiny ka manohitra ny fahalalana an’Andriamanitra sady tsy mahatakatra ny fitiavany. 

Izay no mahatery an’i Paoly, izay tokony tahafintsika mpino koa, hamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy (2Koritiana 10.5). 

Ny saina voadion’i Kristy kosa dia tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ho amin’ny voninahitvra (Salamo 73.24).

Habokan’ny fitafiana (47-59).

Tany an'efitra ny zanak’israely ary tena sarotra ny ahitana fitafiana nefa rehefa voamarina fa misy habokana dia dorana tsy ho eo amin’ny toby fa zava-maloto.

Lesona :

Mila hongotana ny fakan’ny fahotana eo amin’ny fiainantsika,

ary ialana ireo ota mora mahazo

(Hebreo 12.1).

Fahamarinana :

Tsy avelan’Andriamanitra itoetra

ao anatin’ny fiangonany ny fahavetavetana,

sady tsy hiditra ao amin’ny voninahiny sy ny fanjakany.

Izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana ihany no hiditra ao

(Apokalypsy 21.24-27).

 

Hamaranantsika itý Mana androany itý dia hivavaka ho an'ny manam-pahefana isan-tokony sy isam-baratongany isika.

Isan'andro dia manontania tena hoe misy andinin-tSoratra Masina hafa mety hanampy, na hameno, na hanazava kokoa izay novakiana androany ve ?

 

Mpiara-Mamaky ny Baiboly - Mana Isan'Andro

" Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao "

Salamo 119.105